Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-5

14 Mangataka aminareo koa izahay, ry rahalahy: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin'ny olon-drehetra. 15 Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza, fa ny soa ho an'ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva. 16 Mifalia mandrakariva; 17 mivavaha lalandava; 18 ary misaora amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon'Andriamanitra, ao amin'ny Kristy Jesoa ho anareo rehetra. 19 Aza mamono ny Fanahy; 20 aza manamavo ny faminaniana, 21 fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; 22 fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1155